Jeudi 19 Juillet 2018

.......Ny hira fanevanay........

Any volana, any taona, ho sambatra ianao,
Hanana fizakan-tena sy fiainam-baovao;
Tena olona mitraka mahafantatra ny zony;
Tsy tantanana ary indrindra tsy miandry ahiana intsony.

“Mitsangàna, mandehàna” hoy ny baikom-pandresena;
Ho mpianatry ny Tompo ka mahay manolo-tena:
Ny finoana arahina asa no hananganana ny hoavy
Ny fitiavana ny hafa, izay no mahampianakavy.

Soraty am-po tarigetra sosialy,
Olon-tokana ny antsika dia Kristy no idealy.
Lavitra ezaka ny tolona, andeha mba ho iray
Homban’ny herin’Andriamanitra mahery mandrakizay.

Isika izao no fahazavana ho an’ ny faritra rehetra
Atsangano ho fanamby : fahantrana asiana fetra !
Reharehantsika ny tsy ho mena-mitaha
Dia ho ela velona ny CDA!

.........Notre hymne.........

Un jour viendra où tu seras heureux ;
Tu seras autonome et auras une vie meilleure,
Un homme digne jouissant de ses pleins droits,
Indépendant, libéré de l’assistanat.

“Lève-toi et marche”, tel est notre slogan
En vrai disciple et militant du Seigneur
Bâtissons l’avenir dans la foi et par les actes,
En famille unie, guidée par l’amour du prochain.

Gardons toujours en coeur notre objectif social
Seul le Christ constitue notre Idéal
La route est longue, soyons solidaires
Sous la bienveillance de Dieu Tout-Puissant.

“Nous sommes la lumière du monde”
Relevons le défi : combattons la pauvreté
Soyons fiers et performants,
Vive le CDA!